NOEL NOEL Noël Noël Isan-taona dia injao Noël Noël Tsianjery no atao Noël Noël Tonta ve sa vaovao ? Noël Noël Efa mila tsy ho re Noël Noël Ilay teny tsotra hoe : Noël Noël " Fiadanana anie " Minia mikimpy avokoa izao tontolo izao Ka ny Noely zary andron'ny manan-katao Odian-tsy hita ireo mahantra marobe 1 Izany no Noely ve ? . . Mamonjy tavanandro ireo mpihatsaravelatsihy Ka mody avela kely aloha ny zera baomba ary Fa rahampitso dia tohizana indray Ny fomba ratsy hatrizay Fa miofy akondro vava kosa ireo kamboty ray Fadiranovana hatrany tsy misy mpandray Ny maso foana no apitrapitrany eo Toa miantsoantso hoe " Vonjeo " Ilay famonjena nodradraina hatry ny ela be Moa azonay mba antenaina ? Rahoviana re ? Sa.. ny Mpamonjy tsy mba tonga ho anay Fa tsy mba ondriny izahay ? . Noël ! Noël ! Noël ! Noël ! Ankehitriny fantatrao Mba meteza ianao handre Noël ! Noël ! Noël ! Noël ! Izay tokony hatao Ilay firariana hoe Noël ! Noël ! Noël ! Noël ! Ho an'ny rahalahinao " Fiadanana anie " Tonony sy Feony : Bessa - Mpihira : Bessa