NY ADIADINAY FAHINY Ny adiadinay fahiny Manjary halelovako azy Mandainga izay tsy hanan-tsiny Izany ve no anjary sazy? Ny hijanona tsy hiaraka Hifandao sy hisaraka Hifonako ny lasa Izay heviny no asa. Ventsom-pitiavana ao anaty Afo ao am-po tsy mety maty No miantsoantso ka mihira Miverena indray ka midira. Ny hisarahan-toeran' ela Mampitadidy ny andro lasa Iza no tsy hifamela? Hanoro tsara ny fikasa Raha ho tapaka ny tady Izay namatotra hatrizay Tsy ekeko raha ny adiady Ny hamoizana ahy mandrakizay Fandalovana ny eto en-tany Aoka re mba hifamela ihany Vita ny hira ka indro aho manontany Hody ve hono izany havako izany? Ludger