NY FAMATARANANDRONTSIKA Ora fahafiry izao no mientana ny foko Ka manembona sy manina Ny maraina efa tonga, ny fitiavako misoko Hendratra aho ka fanimpanina Hono ho aho ry tsinjoko iny, sy nandalo moramora Amin'ny endrika sariaka Manontany anao ny foko, tsy mitovy re ny ora Oram-pamataranandrontsika Ora fahafiry izao no maloka 'ty andro Folapolaka ny heriny Dila teto ilay fitia, takona ny masoandro Ny foko maloka ny jeriny Hono ho aho r'ilay nandalo sy nantsoiko ho sombinaina Ny lasa ve no niova dika Manontany anao ny foko, tsy mitovy ve ny ora Oram-pamataranandrontsika Njao misandratra ny andro, mibaliaka sady mirana Eny an-dalana diaviko Mitady sandry ifandraisana itony tenako sahirana Ary olona tiaviko Hono ho'aho ry olon'iny izay nandalo moramora Tsara endrika sy bika Manontany anao ny foko, sao mitovy lahy ny ora Oram-pamataranandrontsika. Mpamorona : Rado / Ramaroson Wilson