NY HIRAKO NO HIRAKO Isaky ny mandalo miserana ianao Te hiantsoantso anao aho Miantso anao aho Isaky ny mijery ny masonao aho Mihāmazava ny lalankeliko Masoandroko ianao Kotrobaratra mirefodrefotra ao an-dohako ao Ny feonao, ny teninao Ny hiranao no hirako Tiako ianao Fa rivotra mahery mifofofofo ao anatiko ao Ny tambitambinao, ny safosafonao Mamiko, mamiko Isaky ny mijery ny masonao aho Mihāmazava ny lalankeliko Masoandroko ianao Mibaradaka ny lela mifanosika ny teny Tena adaladalanao aho Tia anao aho. Kotrobaratra ...