NY HIRANTSIKA Tiako koa raha tiako Faniriako ny hiar' hikalo taminao Kanjo dia tanteraka izy izao Be ireo hirako efa vita Nataoko ireny mba ho hita Fa manan-javatra ho lazaina Ny fo, fanahy sy ny saina Kanefa tsy ampy izay vita izay Raha tsy misy kosa hira iray Iarahan'ny feonao sy ny feoko K'ity no hira mahafa-po izay nomeko (fin) 'Zay tsy sahiko tenenina kanefa Tsy azoko afenina Dia tiako mba hialana nenina Atao an-kira hiverimberina. (DC) Salomon - Jeanne NaIy