O ! RAY FODY AN'ALA O ! Ray fody an'ala ô Aza homana ny varim-bahoaka ianareo O ! Ray fody an'ala ô Fa tsy rariny izany zareo Ny mivoky amin'izay tsy nanasatra Miampanga ny saina tsy tsara O ! Ray fody an'ala ô Izany no ankasomparana mantsy Aza ataonareo fanao O ! Ray fody an'ala ô O ! Ray fody an'ala ô Aza homana ny varim-bahoaka ianareo Izy ireny anie ka nanasatra Nandaniana harena sy vola Kanefa ianareo kosa Tsy namafy, tsy nijinja Nefa dia mamantam-bonona O ! Ray fody an'ala ô Aza ataonareo ho fanao O ! Ray fody an'ala ô O ! Ray fody an'ala ô Aza homana ny varim-bahoaka ianareo Ny alahelo anie ka misy todiny Ny atao rehetra dia miverina Ka mitandrema tsara ihany Ry ilay tsy mieritreritra O ! Ray fody an'ala ô Aza ataonareo ho fanao O ! Ray fody an'ala ô Naka RABEMANANTSOA