O RY TSIRIRY O ry tsiriry izay mandalo Ho roso ho aiza izany dia ? Izany foko dia mimalo Raha tianareo mba mivilia. Fa singan'olona manjeny Ka mba toroy izay hahavatra Dia aza menatra miteny Na aza hilaozana hahantra. O ry arosy mianatsimo Ho aiza no hamonjy akany ? Nahoana no mirimorimo Jereo 'ty foko toran-tany Fa manan'olona andrandraina Kanefa koa tsy antenaina Izany foko mitaraina Dia toa hihafy toa hangaina O ry vorom-potsy manirery O ny sento lava no lalao Nilaoza-namana ho very Ny foko tia misento anao Izaho no raozy tia lolo Mivezina atsy sy aroa Mitety sady manimbolo Kanefa toa tsy hahita soa Naka RABEMANANTSOA