RAHA NY RANO NANTSAKAINA Raha ny rano nantsakaina mantsy hono No nandratsaka ny aina sy namono Tsy ho kivy ve ny saina Diso zava-nantenaina Zana-borona nompiana tao an-tratra No manao fanahy iniana mba handratra Tsy ho kivy ve ny saina Diso zava-nantenaina Olon-tokana mba tiana no nanjary Ho mpivadi-panekena sy nanary Tsy ho kivy ve ny saina Diso zava-nantenaina Andrianary RATIANARIVO