RAKOTO MATELO Ho takona tsy ho tazana any ambadika any ho any ilay tananako Ho saraka tsy ho hita anoloana ny tavako, 'reo havako Hafa-tanan' olon-tiana, kopakopaka mosoara, no hilaozako Morontsiraka mafana, tora-pasika mandoro, no ho vantaniko. Any an-dranomasina any ambany lanitra mangina, no honenako Alin-kitana amam-bolana sy rivotra madio, no malalako Eny an-tokotanin-tsambo miaraka amin' ny gitara, no hirako Ireo hira izay fikalo, ireo hirahirantsika, tena mamiko. Veloma ry Iarivo, ry Iarivo mamin' ny fo Veloma mandram-pihaona, tsy hanadino anao... Rakoto Matelo ! La ! la ! la ! la ! la ! la ! la ! la ! Raha sendra embonembona any ho any ka voatonona ny anarako Dia tsarovy fa manjohy anareo any koa ny eritreritro Ireo sarin' ny sakaiza sy ny sarinao ry tiana, an-doha fandrinako K'isan' andro vao mifoha, na ny alina hatory, ho voajeriko. Mety ho taona maro angamba, eny mbola tsy ho voafetra ny hiverenako K' aza malahelo foana, f'antenaiko hisy fihaonana, ny anjarako Amin' izay fotoana izany, hifampiantoraka isika, hifamihina Ho eo imolotro indray, ireo teny mamintsika fahizay ! Veloma ry Iarivo, sns ... Ny Railovy J. Randria , 1963