RAMAVO Avoko anie ka avoko Avoko eny an-tampon-tanety Ny voany voahoso-doko Ny raviny voahetihety Hanao fehiloha eny an-tsaha Ramavo ! Ramavo ! Eny anie aho no handeha mba hilalao Ramavo ! Ramavo ! Andeha hilalao Hariva anie ka maraina Hilanona eny Ambatomiantendro Hitsinjo ilay fendrofendro Himanin'iry lakan'aina Ramavo... Havozo anie aho ka havozo Havozo eny anivon'ny ala Ny ody mamelon-jatovo Hiravina ny ela-balala Sy hitondra ho an'olo-malala Ramavo... Naka RABEMANANTSOA