RAPAGNARAKANDRO Eh ! Rapagnarakandro o!... Ia kay ro namanao mitoetsa eh! Ny aombe ambenanao any avy am-boly an!.. Agnao andreagna, miorika ny rano Adala ve ro miady ny anjaran'olo Eh ! Rapagnarakandro o!.. Ia kay ro namanao mifioka, Tsa misy, fa ny kitily sy ny siriotsa Ateto, ro mandrimandry,magnara-maso Mitsinjotsinjo an'ny valagnary anaty bararata Lanin'ny aombe aby ny kajaha sy ny tsaramaso I Lihi-maitso aza moa tsa hita fa any anaty akata Manaino kay Raparakandro (Miandry an'ny Sadamena ho aho e !) Ny andro atoy efa atoandro Fairo ny aombe, hisotro rano Fa io tsa mba ampianarin-drano Eh ! Rapagnarakandro an'i Sadamena TSIVAHINY