SAKAFO MENDRIKA Mba fantatro ve ramatoa Fa ny fahaiza-mahandro koa Ilaina aminao mana-tokantrano Ka amboamboary fa aza kamo Hitadiavo hevitra miaingitraingitra Ny atody, ny anana sy vinaingitra Ampiasao mba hanana endrika Sy hanamboary sakafo mendrika Aza hadinoina ny nentin-drazana Amboary tsara fa be karazana Toy ny hena ritra sy ny lasary Maro mpitia raha hinanam-bary. Rehefa avy vizana mikorana Ny vary amin'anana atao mafana Raha toa ravitoto no atao matetika Asio trafon-kena voatetitetika Ny trondro gasy sy tavin-kena Endaso tsara ho menamena Asio tongolo sy dipoavatra Handramo kely fa tena zavatra Fatratra koa ny taolam-pifika Kanefa ny nify no sao dia mipika Ity anefa no hiadiko varotra Kendreo ny sira fa tena zavatra. Rehefa mivelatra ny latabatra Avelao ho hita indray mitambatra Ny tsiro, ny hanitra sy ny endrika F'izay no atao hoe sakafo mendrika Jeanne Naly - Fara