SATRIKO Satriko tsy hilentika iny masoandro iny Fa sompatra ny alina Satriko ho mavana irony ahi-maitso Fa tonga ny ririnina Satriko tsy ho levona ny afo nanafana Fa lasana lavenona Satriko tsy hisaraka ny tana-mifandray Fa sendra tadio Sy orana vaventy Tora-defona mafonja Ka milofika tsy fidiny Tsy iriko (2) ny handratra ny fanahy Ankiroa nifangia fa tendrin ny ao ambony Izay no fiononako sy valin-tonom-bavako Raha lasana aho anefa ny foko hitahiry Lay nofy mamy teo Fa izay no sisa heriko ahafahako milanja 'Lay alahelontsika . Feony : Bessa Tonony sy Mpihira : Bodo