TSA ANGANO Ieh ! Manao azafady aho roa ona ! Tainö indraika fa mba te-hilaza raha any aho Hilaza ny raha tsy maintsy hiafarana e roa (2) Atsika olombelona dia vana hody vovoka (2) Eh ! Fa ny fanahy io tsa mba mety maty e (2) Na 'zay nanao ny soa e izao na ny nanao ny ratsy endry e (2) I' aby ireo moa dia vana ho tsaraina koa (2) Ah ! Ary ny Mpitsara dia Andriamanitsa ao an-tampon'ny loha (2) 'Zay nataon-tsika tatoy any ho valeany tokoa (2) Eko ny toerana eroa izao dia mizara roe Ieh ! Tsa anganongano na arirarira ro lazaiko e (2) Voalaza fa ny toerana moa dia mizara roe Ny amin'ny fijaliana eroa sy ny toeran-tsoe endry e ! Ny toeram-pijaliana atao hoe " afobe " Ary ny fiadanana atao hoe " paradisa " I' roa ireo dia tsa mba lalovana aman-taona Fa ny " mandrakizay " any ro anaran'ny fe-potoana Lehe anao hisafidy ny handeha ho anan-danitsa Ay ! Ano mampoa ny Tompo Andriamanitsa Sy anao moa hitondro ny ho any amin'ny afobe Ny lalana ho any any malalaka be Jesosy ro lalana hiakarana any an-danitsa Laky ao ny milaza fa io Zanaharin'ny Vazaha e ! I' irery ihany ro tsy maintsy misandratsa Eh ! Manerana ny tany, manerana ny lanitsa Jesosy irery ihany ako ro Zanak'Andriamanitsa Natao hanafaka atsika amin'ny fahotana r'olo e ! Ieh ! Tsa anganongano na arirarira ro lazaiko e ! Tonony sy Feony : Adeline