TSY HAIKO Izay tia atao hoe adala : Fa mila olon-kendry miala Kanefa dia tsy haiko Ny tsy mitia anao Hita izao fa hoe fahotana Sy fandikāna lalāna Kanefa dia tsy haiko Ny tsy mitia anao Tahaka ny rano an'ony Izay tsy maintsy hivarina any An-dranomasimbe Toy izany koa tsy hay intsony Ny hanohitra izay tendry Tsy maintsy haleha Koa raiso ny tanako F'izy ombanao dia hombāko Satria tsy mety haiko Ny tsy mitia anao Tonony sy Feony : Bessa Mihira : Liva Andrianavalona