TSY MBA NOSAKANANAO Fony aho vao nampianarinao " T andremo tsara ", hoy ianao " Aza mitia izay olona efa manambady " " Mahaiza miaina " , hoy ianao, " Aza adalaina ", hoy ianao " Ny manan-tiana sy ny manam-pofombady " " Mahaiza miala ", hoy ianao " Fa be no adala ", hoy ianao " Fa na ny manana aza ange mbola mitady " Refrain : Fa saingy tsy nambaranao, na azo atao na hy azo atao sady tsy nosakananao ny foko tia anao Fa saingy tsy nambaranao, na azo atao na tsy azo atao sady tsy nosakananao aho, tia anao. Ny anatrao 'zao tadidio fa manontany aho ka valio Satria ihanao dia efa vita mariazy " Rah' misy tiana ", hoy ianao " Fanambadiana ", hoy ianao " Na lalan-tokana tsy mahameloka azy " Ny vadinao sy zanakao mbola tianao, voalazanao Fa n'aiza n'aiza ihanao tsy hahasaraka azy. Coda : Ka ny fitiava ko anao ataoko ahoana indray izao fa tsy mba nosakananao aho tia anao. Tonony : Bessa Feony : Henry Ratsimbazafy Mpihira : Zoely