TSY SAHIKO Tsy sahiko ny hilaza izay kasaiko Manjary ny miteny aza toa tsy haiko Rehefa tafaraka mitokana eny isika Misalasala, finaritra mijery anao sariaka Manahy aho sao lasa vazivazy Izay teny ataoko toa manjary ho simba ho azy Dia fihiniko ny faniriana Hiaretako hiafiko mangina Hitanao anefa fa tsy miery ny masoko mijery Hifanena tsy nahy amin' ny anao Izay hitako mandinika ahy Fantatro fantatro fa tia ahy ianao Fantatrao, fantatrao fa tiako ianao.