TSY SAHIKO Tsy sahiko ny hilaza izay kasaiko Manjary ny miteny aza toa tsy haiko Rehefa tafaraka mitokana eny isika Misalasala aho, finaritra mijery anao sariaka. Manahy aho sao lasa vazivazy Izay teny ataoko ka manjary ho simba ho azy Dia fihiniko ny faniriana Hiaretako, hiafiko mangina. Hitanao anefa fa tsy miery Ny masoko mijery Mifanena tsy nahy amin'ny anao izay hitako Mandinika ahy. Fantatro, fantatro fa tia ahy hianao Fantatrao, fantatrao fa tiako hianao. .Tonony sy feony : Naly Rakotofiringa .Mpihira : Salomon .Mpandrindra : Hary - Bessa - Hery - KirY