VELO-PO Sarotsa ny fiaignana, Agnao ihany ro hitaraignana Ny velo-po no tsy azo avela, Hamelomana ny tegna Ny velom-borogna no tsy azo avela , Hamelomana ny apela Sahiragna ny tatsaha , Fa mafaika ny kajaha Ny mbizo lanin'ny kipio Ino angaha ro mahatonga an'io Manakory aby, tsika ao Kely sakafo va, no tsa mahita tory Ny saonjo atao be am-patana Tsa mahavoky ny mpianakavy Ny tena mahia ,dia koa ny hakagna Ny troka mitombo,fa tsa matavy Rehefa avy ny havarata Fotoa mampanjeky ny KITROY Ny hanina ho hanina koa tsa hisy Ny asa amin'io vao tena misy Sarotsa ny fiaignana.... TSIVAHINY