VETSO MAMATON'ALINA Nahoana kosa hono itony alina No toa mamohafoha ny fitiavana Izay miafin'any amin'ny lalina Tsy hita avangavana Mitepotepo mafy izany foko izany Mangitakitaka Mangitakitam-pijaliana Ny saiko verivery sy lasana vinany Manembona manimanina 'lay olon-tiana Raha vao noseraniny monja Dia taitra ny foko e nanonja Ny foko dia babon'ny fony Ka tsy afa-mivadika intsony Andrianary RATIANARIVO