VONOY NY ANARAKO 'Lay tonon-kira nosoratako ho anao fahiny Rahatoa ka misy ny soniako any, aza tsiny Mba angalao gaoma kely ange ka azafady fafao Vonoy ny anarako Tery am-pototr' ilay hazo iray falehantsinka Nasiako sary fo iray hoe fo iraisantsinka Voasikotra eo ny anarantsika roa, ka raha mandalo eo ianao Vonoy ny anarako Izao no hevitra efa tapaka Fa mety isika raha misaraka Tsy 'zaho rery no nifidy fa ianao koa Nandramantsika ny namerina Ilay fitia, fa tsy niverina Ka aoka izay fa atao ahoana moa Tsy anjara angaha ny antsika roa Tantara sisa no tavela fa tsy hay vonoina Ny lasantsika anefa aoka mba ho hadinoina Koa anafarako anao izao : rehefa tsy ho anao Vonoy ny anarako Satria efa noroahinao hiala tato ampoko Ilay fitia nomeko anao kanjo zary toloko Dia olon-kafa indray no niditra ao Nitondra aina vaovao, vonoy ny anarako Na ao anaty diarinao, na eny ambany sary Na eo imolotrao na any anaty fo marary Na any anaty kalokaloko sy hirako aza dia izao : Vonoy ny anarako. Tonony sy Feony : Bessa Mpihira : Ny Railovy