ZAZAVAVY Anisan'ny zavatra manahirana Mahazo ny sain' ny tovovavy Na tokony ho lavina, na hidirana Raha misy mangataka sy miangavy Satria raha ho lavina Sao hanenenana Ekena avy hatrany toa misy tsininy Tsara ho kendrena ny fitenenana Fa tsy vita mora ny andinindininy Tandremana koa ny maika loatra Sao dia matahotra ho Iany zara Manaiky lembenana tafahoatra Mitady hampandroso ny tsy anjara Misy dia misy ny maika hanana Tsy mievitra akory izay hifaranana Kanjo ilay ravina izay nihinanana Tsy nahalazo akory dia noravana Lasa nilefa ilay olon-tiana Ny tena tsy afa-dratsiana Ny ray aman-dreny fadiranovana Mijaly eritreritra sy torovana Ny taonan'ny zaza no afenimpeniny Kanefa efa hitovy amin-dreniny Tahak'izay re nekena na lasa Toa nenina sisa mandatsa Mafy ê! ny mitaiza zazavavy Fa takona mantsy ny ho avy Tandremo ny fatra-pifidy koa Rehefa tara loatra dia mahavoa Aza mitady izay fanaperena Ny vitana mantsy dia indray miserana Nahoana no antitra am-pijoroana Ireo kirikiriana tsy hay toroana Tsy ho avy intsony ireo tanora Fa ny maty vady no hijaiko mora Ekeo ihany na antitra aza Tsy aleo mandray ve ny zaza Naly