Miverena
Miverena
  Ilay zazakely   Manaraka
Manaraka

    Indray andro krismasy, hitantsika moa fa efa samy reraky ny fikarakarana daholo ny olona ka hany rehefa tonga ilay fotoan-dehibe dia mitaky ihany ny harerahana, torak'izay koa no mahazo ireny "Diakona" ireny. Andro sasakalina (24 desambra), mitoriteny i Pastora(na i MOpera), ka i Ramatoa Diakona etsy akaikin'ny varavarana efa mila ho raisin-tory fa miezaka ihany ny mampihiratra ny masony. 

    Misy ankizy anefa mivezivezy foana , mivoaka-miditra eo ambaravarana, ka tenenin'ilay Diakona foana hoe :"Aza mivoaka miditra eo ianao". Lasa ny toriteny, miresaka an'ilay Mpamonjy i Pastora(na i MOpera) hoe: "Ilay zaza io dia tonga ety an-tany, inona moa no ataony ety? ary iza marina io Zaza io?" 

    Taitra ilay Diakona ka namaly an'i Pastora na i MOpera hoe: "Azafady Dadapasy (MOpera), fa efa impiry aho no niteny an'io Zaza io tsy hivezivezy eo nefa tsy mety izy, tsy iza izy tsy akory fa zanaky ramatoa Rabozy mpanao Mofogasy etsy andafy avaratra izy io", satria noheveriny fa ilay zaza mivezivezy eo ambaravarana no nanontanian'ny Mpitory teny fa efa sondian-tory izy. 

 

Mpandefa:        Manitra Andriaharifara 
Daty:                27 May 1996

 

Miverena
Miverena
      Manaraka
Manaraka

  Miverena any amin'ny pejin'ny hatsikana Miverena any amin'ny tranon'i Benoit Fandefasana hatsikana vaovao  
Boky fanaovan-tsonia Fandefasana taratasy aty amiko

      Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka 

1