Miverena
Miverena
  Rabosy masiaka   Manaraka
Manaraka

    Tantara tena nitranga ity fa tsy noforonina.
Tany Antsiranana no nitranga ny tantara. Ny mpanoratra moa mpitarika tanora tao amin'ny fiangonana iray izay. Ary fanao hatrany ny manontanitany ireo namana ao amin'ny fikambanana sy ny mijerijery azy ireo e! 

Taitra aho indray Sabotsy rehefa nandinidinika an'i Ranatiana feo faharoa elaela fa be vohoka angamba izy. Ranatiana anefa mbola tsy manambady! 

Izaho kosa angamba no diso e! 

Namboariko ny heritreritro ... 

Voky angamba? Nefa lehibe loatra raha ataoko hoe voky fotsiny! Aretim-pivontosana ve? Raha izany anefa nahoana izy no tsy henoko hoe narary! Sa kankana? Nefa toa ny zaza ihany no bontsinon'ny kankana koa! 

Tsy naharitra aho fa lasa nanatona an'i Ranariana mpiara-miasa moramora no sady nibitsibitsika hoe: 

- Ranariana a! Izaho ve ry ise no diso fijery fa toa 
  bevohoka angamba i Ranariana feo faha roa! Nefa 
  izy toa mbola tsy manambady! Aza dia mijery any 
  ianao fa sao ataony hoe mifosa kah! 

- Ie, tsy diso ianao kah! 
- Fantatrao ve ny vadiny? 
- Fantatro tsara! 
- Olona miangona ato amintsika ihany ve? 
- Ie, olona mpiangona isak'alahady! 
- Olona fantatro ve? 
- Olona fantatrao tsara! 
- Marina hoe! Sady niondrika tsimoramora aho no lasa 
  heritreritra mafy! 

Tapaka tampoka teo ny resakay dahy fa nilaza hamonjy fotoana maika i
Ranariana ... 

Nony tapa-bolana taty aoriana angamba. Nahita an'i Ranariana indray aho. Izy moa tato ho ato izay nilaza ho sahirankirana ka tsy nahavonjy ny fotoam-pivoriana isak'asabotsy intsony. 

- Dry, fa maninona ny sandrinao ry Ranariana no 
  maradratra ohatran'io?
- Norangotin'i Ranatiana e! Rehefa tezitra amiko 
  izy angaha tsy loza fa mandrangotra ohatran'ny 
  rabosy masiaka!

Dia akona teo aho. Tena tsotra ity Ranariana ity! Elaela aho nefa vao tonga saina! 

Efa telo izao ny zanak'i Ranariana sy Ranatiana any alavidavitra any! Any amin'izay nosy manitra izay. 

P.S: rabosy = saka amin'ny fiteny Antakarana 

 

Mpandefa:        Mialy Rabe Ranjanivo
Daty:                24 Jun 1996

 

Miverena
Miverena
      Manaraka
Manaraka

  Miverena any amin'ny pejin'ny hatsikana Miverena any amin'ny tranon'i Benoit Fandefasana hatsikana vaovao  
Boky fanaovan-tsonia Fandefasana taratasy aty amiko

      Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka 

1