Teny ambony taksiborosy
mankany Antsirabe no nitranga ny tantara. Efa hanainga ny
fiara. Indro tovovavy manjakely iray nipetraka teo anila
ankavanan-dRa-TrA. Rafotsy be iray kosa no nipetraka teo
anila ankaviany. Raha vao nandalo an'Ambatofotsy dia nitan-takolaka razazavavy. Tsy naharitra Ra-TrA ka nanontany: -Misy olana angaha izato izy? Misy azoko anampiana
anao ve? -An an! Mangotsoka ny vazako iray eo ambony! Tena tsy tantiko mihitsy hatry ny naraina! Maika be Ra-Tra namaly sady ni-charme: -Etsy orohako hianao fa avy dia misinda io! Taitra Ramamabe teo akaiky ka nikorapaka hoe: -He! Sao dia mba sitranao ny amoroIdako anaka? Tahian'Andriamanitra hianao ... |
Mpandefa: Benoit Fils Razafimbahoaka
Daty: 15 Jul 1996
Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka