Sahirana mafy i Ra-TrA
mpitarika sarety. Ny antony dia nanapakevitra izy fa
hijanona tsy hitarika sarety intsony fa posiposy indray
no hotaritiny. Io mantsy hono no toa ahazahoana be noho
ireo mpizaha tany marobe mirevy mitaingina posy (ao
Antsirabe io). Ny tena nefa tsy mahay miteny frantsay na
dia kely aza. Naka hevitra tamin'ireo namany Ary i Ra-trA noho io antony io. Fa tsotra ny navalin'ireto namany efa goaika antitra sy ela nihetezana t@ fitarihana posiposy: -Sss... tsa quoi io Ra-TrA a! //
Izany hoe: Tsy quoi io Ra-TrA a! -Sss... hay ve izay izany e! Tadidiko ireo kah! Dia lasa @ izay Ary Ra-TrA sy ny posiposiny. Indro vozongo vavy iray nanakana azy ka nitaingina ny posiposiny ho eny @ garan'ny fiaran-dalamby. Hitsena ny vadiny no antondian'ilay ramatoa. Vao tonga teny @ gara ry zareo dia efa niandriandry teny ilay rangahy vazaha fa tonga aloha be ny fiaran-dalamby. Vao nijanona ny posiposy dia nihazakazaka nankeny aminy ilay ramatoa. Ela tsy nihaona mantsy. Nikorapaka Ra-TrA ka niantso ilay polisy nihaodihaody teo sy nanao taminy hoe: -Tsy nandoa vola iny ramatoa lasa iny r'ingahy polisy fa sambory a! Izy mivady amin'io erY lavitra erY sahala @ tsy ho faty iny erY ny aina. Oroka izany! Nanantona azy ireo Ra-TrA sy ilay polisy. Taitaitra ilay rangahy nahita izany ka naneho hagagAna sy tsy hafaliana t@ endriny somary mikentrona. Tsikaritr'i Ra-TrA izany ka avy izy dia nisendoatra, noraisiny t@ vozon'ankanjony ilay rangahy vozongo ary nomeny ny "coup de tete" sady nitrerona mafy hoe: -"Posiposy-pour moi notaingenan'ny vady-pour toi, vola-pour moi tsy omen'ny vady-pour toi dia izaho indray vandravandrAn'ny maso-pour toi!". |
Mpandefa: Radanz
Daty: 15 Jul 1996
Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka