Miverena
Miverena
  Sahinao farany?   Manaraka
Manaraka

    Teny Antaninarenina no nitranga ny tantara. Maro ny mpivaro-boninkazo no miandry ireo vozongo avy miantsena ao @ PRISUNIC (taloha). Hoy izy ireo @ izany manaraka avy ao aoriana hatreny @ daba:

        -Voninkazo madame! Voninkazo monsieur! ...

    Tsy amelan'izy ireo mihitsy @ izany raha tsy efa miainga ny daban'ireo vozongo. 

    Ka hoy ity vozongo madama iray indray mandeha izay, sady manohy mandeha ihany fa maika angamba ary tsy mijery ilay mpivarotra mihitsy izy @ io: 

        -Eh ... ! Combien?

    Namaly ilay mpivarotra:

        -3000 madame!

    Namaly ilay ramama sady manohy ny lAlany ihany no koa tsy mijery: 

        -2000! 

    Namaly ilay mpivarotra: 

        -2500!

    Tsy niteny intsony ilay vozongo fa ny lAlany no nozoriny, sahala @ hoe tsy misy miresaka aminy intsony iny erY. Ireto mpivarotra nefa efa zatra ka efa fanaon'izy ireo ny manontany hoe: hoatrinona Ary no sahonao farany? 

    Ka nony efa hanokatra ny varavaran'ilay daba ity rafotsy vazaha dia hoy ilay mpivaro-boninkazo niala nenina, ny tenany moa iaraha-mahalala fa faible @ teny frantsay:

        -Combien coute votre derriere madame? ... 

 

Mpandefa:        Benoit Fils Razafimbahoaka
Daty:                29 Jul 1996

 

Miverena
Miverena
      Manaraka
Manaraka

  Miverena any amin'ny pejin'ny hatsikana Miverena any amin'ny tranon'i Benoit Fandefasana hatsikana vaovao  
Boky fanaovan-tsonia Fandefasana taratasy aty amiko

      Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka 

1