Miverena
Miverena
  Bazary an-kelika 2   Manaraka
Manaraka

    Mahamenatra tokoa raha amin'ny fiarahamonina ifandraisana amin'olonkafa no mivatsy plastique hofenoina sakafo. Nefa tsara jerena ihany ny lafiny ara-pomba. Io fihetsika io anie ka efa fomba amam-panao e! Mitovy lenta amin'ny famadihana, didi-paotra, sns ... Isika miaina an-tanan-dehibe no nanova an'io fomba io ka teo amin'ny fetim-panambadiana ihany isika no manao izany. Tsy ny sakafo intsony no entintsika mody fa ny gateau ihany. Ny dikany dia hoe ho zaraina amin'ny any an-trano ny hafalian'ny tompom-pety. 

Taloha anefa dia ny sakafo mihitsy no entina mody (fa tsy gateau ihany, tsy mbola nisy gateau moa tamin'izany) mba ho zaraina amin'ny mpianakavy tsy afa-nanatrika. Fanahy inian'ny tompom-panasana atao be dia be mihitsy ny sakafo mba hahafahan'ny vahiny mitondra azy ireny mody. 

Io fomba io dia mbola iainan'ny any ambanivohitra sy iainan'ny karazan'olona. Tsy tsininy io satria fomba amam-panao nolovainy. Na izany aza anefa dia mahamenatra tokoa ilay fihetsika. 

Etsy andanin'izany, isika samy isika mihitsy koa anie no milaza tena fa
mahamenatra ilay fihetsika. Ireo vahiny manatrika anie tsy voatery hisaina an'izany. Mety misaina ry zareo hoe hay izany no fomba amam-panao aty M/car. 

Inty misy tantara niainako mba hanaporofoako fa fomba amam-panao io. Nanatrika koranam-panambadiana tao amin'ny fianakaviana aho. Olo-manan-katao be ry zareo ary nasaina daholo ny rehetra. Nasaina tahaka izany koa ny avy any ambanivohitra lavitra tany. Dia inty misy ramatoa anankiroa niray latabatra tamiko. Isaky ny mandroso sakafo ny serveur dia avy hatrany dia mivoaka ny plastique ary afatratra ao ny sakafo. Systematique. Rehefa samy mahalany daholo ny iray latabatra ka mbola misy ambiny ilay lovia be iombonana dia avy hatrany afatratra ao anaty plastique. Nandeha ny sakafo voalohany, faha-2, faha-3. Nifampijery daholo izahay iray latabatra sy ny latabatra manodidina. Tena samy nahatsiaro menatra. Izy roa anefa amin'izany tena tsy hitanao hoe menatra. Tsy naharitra intsony ilay rangahy anankiray teo amin'ny labatra misy anay ary nanomboka nampiditra resaka mikasika ny fahalalam-pomba (tsy nisafoaka akory izy). Tamin'izany no nilazany an'izy roa fa tsy fanao ny toy ireny amin'ny fanasana toa izao. Nanazava izy roa hoe fomba fanao io. Dia nitohy ny ady hevitra ary tamin'izany no nahatsapanay hoe hay tena fomba tokoa ilay izy. Na izany aza nahatsiaro menatra ihany ny tena. 

 

Mpandefa:       
Daty:                 06 Mars 1997

 

Miverena
Miverena
      Manaraka
Manaraka

  Miverena any amin'ny pejin'ny hatsikana Miverena any amin'ny tranon'i Benoit Fandefasana hatsikana vaovao  
Boky fanaovan-tsonia Fandefasana taratasy aty amiko

Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka

1