Manakaiky ny mitaovovonana
,fotoana fandrahoana sakafo iny. Tao amin'ny
fianakavian-dry Tenda no niseho ny tantara ,ry zareo toa
malaza tendan-kanina ihany ka manao vaventiventy izay
daholo. Sendra tao amindrizareo indrindra i Doda io
atoandro io, teo amin'ny balcon, fifanosehana izaitsizy
ny andr'iRainitenda sy ry Tenda ary ny anabaviny teo
amin'ilay masolavitra (jumelles) izay mitifitra etsy
amin'ilay trano etsy ampita: - Aiza mba izaho indray e! hoy i rainy tamin'i Tenda. Niala nalaina i Tenda. - Io fa navadiny, io fa navadiny! hoy Rainy. Fifanosehana ny an'ny ankizy hijery. Gaga i Doda mba inona loatra ary izany rehefa afa-po ry zareo mba nanopy maso tao i Doda nanantena fa mba mety ho tena vehivavy tsara tarehy ve sa inona no ao, inona hoy ianareo no tao: "Olona manendy trondro no ifanosehan'ireto ho jerena leaza. Loza izany." |
Mpandefa: Jocelyn Rakotomalala
Daty: 08 Mars 1996
Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka